Additional Resource

COVID-19 Fanavaozana (Malagasy)

Fanamboarana mandritra ny fotoana tsy maharitra atao amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly

13 martsa 2020 

Ry rahalahy sy anabavy malala:

Lasa loharanom-panahiana tsy ankiato ny fiovana mihazakazaka eo amin’ny toe-pahasalamana manerana izao tontolo izao. Maro ireo fitondram-panjakana no nametraka fandrarana izay mitaky ny fanakatonana mandritra ny fotoana tsy maharitra ny tempoly sasantsasany. Izahay Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha nikatsaka tamim-bavaka ny hampifandanjana ireny famerana ireny amin’ny ilana ny hitohizan’ny asa atao any amin’ny tempoly, dia nanapa-kevitra ny hanao ireto fanamboarana mandritra ny fotoana tsy maharitra manaraka ireto, izay mihatra manomboka ny 16 martsa 2020 ho an’ireo tempoly rehetra maneran-tany.

  • Amin’ny toerana izay isian’ny fandrarana ataon’ny fitondram-panjakana na ireo fandrarana hafa mahakasika ireo fivorian’ny sarambabem-bahoaka sy/na fivoriana ara-pivavahana izay mandrara noho izany ny asa atao any amin’ny tempoly: ireo ôrdônansy isoloana tena sy ho an’ny velona dia haato mandritra ny fotoana tsy maharitra.
  • Amin’ny toerana izay tsy handraran’ny fitondram-panjakana na ireo famerana hafa ireo asa rehetra atao any amin’ny tempoly dia hampifanarahana amin’ny haben’ny toerana ireto ôrdônansy ho an’ny velona manaraka ireto, amin’ny alalan’ny famandriham-potoana ihany: ôrdônansy famehezana ny mpivady, famehezana ny ankizy amin’ny ray aman-dreny, sy ireo ôrdônansy fanomanana sy fanafiana masina ho an’ny velona. Mandritra ny fotoana tsy maharitra dia tsy hatao ireo ôrdônansy isoloana tena.
  • Hikatona avokoa ireo efitrano fandraisana mpitsidika.

Hahazo torolalana ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fotoana hamandrihan’izy ireo ny fotoana hanaovan’izy ireo ireo ôrdônansy ho an’ny velona. Hantsoin'ny mpiasa ao amin’ny tempoly ireo olona izay manana famandriham-potoana amin’izao.

Hisy fepetra harahina any amin’ireo tempoly rehetra mba hanakelezana ny mety ho fipariahan’ny aretina, anisan’izany ny fampihenana ny isan’ny olona miasa ao amin’ny tempoly, famerana ireo vahiny mandritra ireo ôrdônansy ho an’ny velona, ary ny fanarahana toromarika ny amin’ny fifaneraserana amin’ireo mpitsidika.

Hisy fampahalalana fanampiny homena ireo fiadidian’ny tempoly, ary hisy fanamboarana fanampy hatao araka izay ilaina.

Andrandrainay amin-kafaliana lehibe ny fotoana izay hahafahan’ireo tempoly hiasa amin’ny fahafenoany ka hanome ireo fitahian’ny asa atao any amin’ny tempoly an’ireo mpikambana sy ny razamben’izy ireo.

Amim-panajana, 

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo 

_____

Fanavaozana: Fampiatoana ao anatin’ny fotoana tsy maharitra ny fivoriana ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany

Hifampila hevitra ireo mpitarika eo an-toerana mba hanapaka ny fomba hanaovana izay handraisan’ny mpikambana ny fanasan’ny Tompo indray mandeha isam-bolana farafahakeliny.

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nandefa ity taratasy manaraka ity tamin’ny 12 martsa 2020 ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany.

Ry rahalahy sy ranabavy malala:

Araka ny nampanantenaina tao amin’ny taratasy nalefanay ny 11 martsa 2020, dia manohy manara-maso ny fivoaran’ny toe-javatra mahakasika ny COVID-19 maneran-tany izahay. Efa nodinihinay ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika eo an-toerana sy ireo manampahefana eo anivon’ny governemanta, ary ireo matihanina miandraikitra ny fahasalamana, ary nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo izahay mahakasika ireo zavatra ireo. Ankehitriny izahay dia manolotra izao toromarika nohavaozina manaraka izao.

Manomboka mihatra avy hatrany, ny fivoriana rehetra iarahan’ny sarambaben’ny mpikamban’ny Fiangonana dia haato mandritra ny fotoana tsy maharitra maneran-tany mandra-pivoahan’ny filazana fanampiny. Tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fihaonamben’ny tsatòka, ny fivoriamben’ny mpitarika sy ireo fivoriambe hafa.
  • Ny fivoriana fiaraha-mivavaka rehetra iarahan’ny besinimaro, anisan’izany ny fivoriana fanasan’ny Tompo
  • Ireo fiaraha-mientan’ny sampana sy ny paroasy ary ny tsatòka

Raha azo atao dia ataovy amin’ny alalan’ny teknôlojia izay mety ho fivorian’ny mpitarika rehetra tena ilaina atao. Azo apetraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana ireo fanontaniana miresaka zavatra manokana. Hisy toromarika fanampiny homena mahakasika ireo zavatra hafa.

Tokony hifampila hevitra amin’ny filohan’ny tsatòkany ny eveka mba hanapahana ny fomba hanaovana izay handraisan’ny mpikambana ny fanasan’ny Tompo indray mandeha isam-bolana farafahakeliny.

Mamporisika ireo mpikambana izahay amin’ny asa fanompoana ataon’izy ireo mba hifampikarakarana. Tokony hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika mba hitahy sy hankahery ny hafa.

Mijoro ho vavolombelona izahay ny amin’ny fitiavan’ny Tompo mandritra ity fotoana izay tsy mbola fantatra izay hiafarany ity. Hitahy anareo Izy mba hahita fifaliana rehefa manao izay rehetra azonareo atao ianareo mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny toe-jevatra misy rehetra.

Amim-panajana,

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Style Guide Note:When reporting about The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, please use the complete name of the Church in the first reference. For more information on the use of the name of the Church, go to our online Style Guide.